ASIEF 2025 : Taranja 21 no hifaninanana

Anatin’ny fanomanana sahady ny fifaninanana nasionaly, izay hatao any Mahajanga, ny eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), amin’izao fotoana izao. Fepetra maro no horaisina amin’ity taona ity mba hanatsarana ny fifaninanana. Anisan’ny zava-dehibe ny mahakasika ny taranjam-panatanjahantena hifaninanana izay hisy vaovao amin’ity taona ity, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love). 21 no isan’izany taranja izany ka ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny eo anivon’ny birao. Taranjam-panatanjahantena vaovao ireo lalaovina eny amin’ny morontsiraka, toy ny Rugby beach, hand beach, beach soccer ary ny beach volley. Fepetra voalohany tsy maintsy arahina ny hananan’ny mpilalao “licence”. Eo ihany koa ny tsy maintsy hiatrehana ny fifaninanana rezionaly mba hisorohana ny olana nitranga tamin’ny taon-dasa,teo amin’ny resaka mpikaraman’ady sy ny hosoka. “Fitaratra eny anivon’ny fiarahamonina ny mpiasam-panjakana ka tokony haseho amin’ny fifaninanana toy izao izany”, hoy ny no hamafisin’ity filohan’ny Asief ity. Araka ny fandaharam-potoana, hisokatra ny sabotsy 5 avrily teo ny fifaninanana rezionaly ho an’ny ligin’Analamanga. Miantso ny mpiasam-panjakana tsy ankanavaka ny filohany amin’ny fanaovana fanatanjahantena izay fanafody tsy vidiam-bola sy ho fampisehoana ny firaisankinan’ny mpiasam-panjakana.

Mi.Raz

Partager sur: