Anisan’ireo sekoly manana klioba eo amin’ny taranja lomano ny Esca Antanimena. Feno dimy taona amin’ity ny Club natation Esca. Tsy navelan’izy ireo handalo fotsiny izany fa nankalazainy niaraka tamin’ireo mpianatra beazina ao an-toerana. Tamin’ny alalan’ny fifaninanana isaka ny kilasy, no natao ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny dobo filomanosana Esca. Nahatratra 400 mianadahy ireo nifaninana nanomboka tany amin’ny kilasy faharoa ka hatramin’ny ambaratonga ambony. Nambaran-dRakoto Olivia, filohan’ ny Club natation Esca fa mivoatra ary mandroso io taranja io. Notsiahivina fa raha 10 ny isan’ireo mpilomano manana kara-pilalaovana federaly tany am-boalohany, ankehitriny, efa mahatratra 46 izany ary efa maro ireo niatrika fifaninanana iraisam-pirenena sy mandrafitra ny ekipam-pirenena.
Tanjona ho an’ny mpitantana ny hampiroborobo ny taranja lomano, izany hoe, hampiditra ny tanora rehetra ho tia lomano ka hahazo fiofanana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy. Raha ho an’ny fimy taona manaraka, maniry ny hanatevina ny isan’ny mpilomano ao aminy izy ireo ary hamoaka elita maromaro. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilomano novolavolaina tao amin’ny ESCA, Andrianifahanana Zoé, Malagasy voalohany niatrika ny lalao Olympika tany Moscou, ny taona 1980, izay lasa mpanabe ao an-toerana ankehitriny.
Torcelin