Tratra ny tanjona ho an’ny écoles internationales Maarif- Madagascar nandritra ny «Salon de l’orientation» andiany voalohany, ny herinandro teo. Tafakatra 1 000 ireo mpianatra avy amina Lycée samihafa, avy eto an-drenivohitra sy Ambohidratrimo namonjy ny hetsika. « Talohan’ny hairanty natao, nisy ny fampahafantarana an’ireo mpinanatra ny tontolon’ny asa izay niarahana tamina orinasa miisa 10. Nanampy ireo tanora izany ka nohotohizana tamin’ity hairanty voalohany ity izay nampivelatra ny fahalalany», hoy ny tale jeneralin’ny sekoly, Ramanantsoa Ramarcel Fanomezana. Notohizany fa hanampy amin’ny safidy ataon’ireo mpianatra amin’ny fanohizana ny fianarana aorian’ny bakalorea izany. Hampidirina ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny sekoly ihany koa ity tari-dalana ity hahombiazan’izy ireo hatrany any aoriana sy any amin’ny tontolon’ny asa.
Soa fanararaotra
Nisongadina nandritra ny telo andro nanaovana ny hetsika ny fifanakalozan-kevitra samihafa niarahana tamin’ireo mpianatra sy mpampianatra. Nizara ny traikefa azony ny fikambanan’ireo mpianatra maintimolaly tao amin’ny sekoly nianatra tany Torkia (AAEMAT) sy ireo manam-pahaizana samihafa.
Ankoatra izay, nisy koa ny diabe natao ny sabotsy teo namaranana ny hetsika, izay tafiditra anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana. Niara-niasa tamin’ny Croix-rouge malagasy ihany koa ny sekoly ho fanofanana ireo tomponandraikitra mahakasika ny vonjy voina. Marihina fa miara-miombon’antoka amin’ny sekoly sy nikarakara ny hetsika ny Fondation Maarif de Turquie.
Henintsoa H.