« Festival de la nature »: Hanome lanja ny tontolo iainana

Hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 24 mey, eto Antana­narivo, ny « Festival de la nature » andiany voalohany, karakarain’ny Cetamada. Soatoavina lehibe napetrak’izy ireo ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny tontolo an-dranomasina.
Tao anatin’ny 10 taona, natao tany amin’ny Nosy Boraha hatrany ny fankalazana ny « Festival de la nature » ka nahafahana nametraka hafatra sy nanapariaka izany tamin’ireo mpiara-belona, izay notohanan’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.
Amin’ity taona ity, hijery manokana ny fomba fanaon’ny olombelona sy ny fahavelomany ary ho an’ny taranaka ny hetsika. Hisy, araka izany, ny fanentanana sy lalao samihafa hiarahana amin’ilay mpanentana fandaharana fanta-daza vahiny, Julien Lepers. Hovoaboasana ao anatin’ny « Festival des initiatives vertes » karakarain’ny Alliance française ny fandraharahana maitso sy ny vokany eo amin’ny tanora malagasy.
Ankoatra izay, hifanakalo hevitra momba ny tontolo iainana ireo mpandraharaha eto Madagasikara sy ireo manam-pahiazana manokana ho fampandrosoana ny toekarena. Hojerena eny amin’ny Akamasoa ihany koa ny horonantsary « Océan » notontosain’i Jacques Perrin.

Henintsoa H.

Partager sur: