Fifaninanana hazakazaka : Atleta maty latsaka tany anaty hantsana

Maty teo am-pifaninanana mihazakazaka, afakomaly, ny atleta iray. Tsy niara-tonga tamin’ny mpifaninana izy tamin’ny fotoanan’ny famaranana, namoy ny ainy.

Nianjera tampoka avy eny ambony hantsana, namoy ny ainy, ny iray tamin’ireo mpifaninana nandray anjara tamin’ny hazakazaka “Trail Ibity andiany faha-9”. Nitranga izany tao amin’ny amin’ny fokontany Ambarina­kanga, kaominina Ibity, dis­trikan’Antsirabe II, ny alin’ny alahady 6 avrily. Nifaninana niaraka tamin’ireo mpifanandrina aminy ny lehilahy. Ni­farana tamin’ny 5 ora hariva ny fifaninanana saingy tsy hita ny nanjavonan’ity farany. Niandry azy ny mpikarakara saingy nihamaizina ny andro. Voatery niantso mpitandro filaminana nikaroka ilay lehilahy tsy hita io izy ireo. Nokarohina, hita nitsirara tao amin’ny lalana ivelan’ny tokony hifaninanana ity tra-doza, tamin’ny 9 ora alina. Tsy nisy aina intsony izy rehefa nozahan’ny mpitsabo.

Nizotra lalan-kafa
Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana misahana ny raharaha, nizotra lalan-kafa ilay mpifaninana. Vokany, izy niharan-doza izao. Nianjera avy eny ambony hantsana izy, notatazan’ny silasila-bato. Nitarika tsy fahatsiarovan-tena izany ka izao nitarika azy tamin’ny famoizana aina izao, araka ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo azy. Nentina nihazo ny tanàna ny vatana mangatsiakan’io namoy ny ainy io ary natolotra ny fianakaviany. Marihina fa fifaninanana hazakazaka ka­rakarain’ny fikambanana iray isan-taona ao Ibity, ho fanangonam-bola hitohizan’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ao Vakinankaratra, ny “Trail d’Ibity”. Anarivony ny mpandray anjara efa nisehatra tamin’izany.

Tsiferana R.

Partager sur: