Efa manomboka ampahafantarina tsikelikely ny momba ny fitsidihan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, eto Madagasikara, ankoatra ny fanatrehany ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI).
Fantatra izany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna. “Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ Andafiavaratra ny fihaonana eo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ny 23 avrily izao”, hoy izy. Iarahana amin’ireo tanora malagasy miisa 100 izany.
Tafiditra rahateo ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny filoha frantsay mandritra ny fandalovany eto ny fitsidihana ny Rovan’i Madagasikara sy ny fihaonana amin’ireo Olobe sy Tangalamena na ray aman-dreny ara-drazana “Communauté royale”.
Tsiahivina fa anisan’ny toerana nanombohana ny dinika momba ireo nosy malagasy “Iles éparses”, tamin’ny dimy taona lasa, ny eny Andafiavaratra. Nangina tanteraka izany taty aoriana.
Toekarena sy sosialy
Ankoatra izay, hitohy amin’ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy ny lehiben’ny governemanta amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny COI ny fahatongavan’ny filoha frantsay eto, ny 24 avrily. Hotanterahina eny amin’ny CCI, eny Ivato, izany. Misolo tena ny Nosy La Réunion ny tenany amin’izany, ankoatra ireo filohan’i Kaomoro, Maorisy, Seychelles ary ny avy any Djibouti.
Anisan’ny tanjon’ny COI ny hanamafisana ny fifandraisan’ireo firenena mpikambana ao, eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny sosialy ary ny tontolo iainana. Eo koa ny hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra sy ny fitantanana ny harena an-dranomasina. Manampy izany ny fampivoarana ny fiainan’ny mponina amin’ny firenena eo anivon’ny COI.
Synèse R.