Efa eo amin’ny andiany faharoa ny fampiofanana ho an’ireo mpampianatra karate, hahazoana ny mari-pahaizana DAF(Diplôme d’animateur fédéral). Mpiofana 16 mianadahy no manaraka izany, nanomboka ny alahady lasa teo.
«Haharitra dimy herinandro eo ny fiofanana hatrehan’ireo mpampianatra ny taranja karate , andiany faharoa ireo » hoy ny filohan’ny Federasionin’ny karate-do malagasy (FKM), Ratefinanahary Émile, nandritra ny fanokafana ofisialy ny hetsika, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny alahady lasa teo.
Tsiahivina fa ny volana febroary teo no nanombohan’ny fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana DAF ho an’ny andiany voalohany, izay nahitana mpiofana 18 mianadahy. Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fahazoana ity mari-pahaizana ity ny filohan’ny FKM, izay nilaza fa ho fanatsarana ny lentan’ny karate malagasy no tanjona.
Ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny federasionina ho an’ireo mpampianatra tsy nanaraka fiofanana ao aoriana kely, araka ny fanazavany hatrany.
Maharitra 2 taona eo ny faharetan’ny fiofanana mandra-pahazoana ny “Brevet d’état” ka aorian’izay, tsy ho azon’ny rehetra atao intsony ny mampianatra io taranja io eny anivon’ny klioba sy ny dojo, raha toa ka tsy nanaraka ny fiofanana sy tsy manana ny mari-pahaizana takina amin’izany iz ireny.
Etsy ankilany, mizotra tsara ny fampivondronana ireo ekipa nasionaly, manomana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Nizeria, ny volana jolay izao. Raha ny fandaharam-potoana, ny volana jona izao no hivoaka ny lisitra faran’ireo mpikatroka voatsonga hisolo tena an’i Madagasikara ho any Nizeria, izay nohamafisin’ny filohan’ny FKM hatrany fa miankina amin’ny haavo teknikan’ny mpikatroka ny isan’ny handeha hiatrika ity fifaninanana ity.
Na izany aza, mikasa ny handefa solontena maro araka izay tratra ny federasionina mba hahafahana mahazo vokatra tsara.
F.R