Nosy Sakatia : Hanohy ny asany araka ny lalàna ny MFFT

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), afakomaly, manoloana ny hetsika fanakorontanana momba ny Nosy Sakatia-Ampasindava.

“Manamafy ny MFFT fa hanohy ny asany araka ny lalàna sy hanampy amin’ny fampanjakana ny filaminana sy fanjakana tan-dalàna amin’ny sehetry ny fananantany.” Io ny fampahafantaran’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), afakomaly, manoloana ny hetsika fanakorontanana momba ny Nosy Sakatia-Ampasin­dava. Hifototra amin’ny fandriampahalemana sy ny fanarahana ny lalàna ary ny tombontsoa iombonana ny fandraisana andraikitra. Efa voatondro sy voasokajy ho tahirin-tany fizahantany nanomboka tamin’ny 2000 io; efa voasoratra ara-panjakana amin’ny anaran’ny fanjakana, araka ny titra lah.1807-BO, manana velarantany 17 hektara sy 34 ara ary 81 santiara. Tamin’ny 2018, nisy Malagasy mpandraharaha, dia ny orinasa Green Mada Land, nahazo fanofana “bail emphytéotique” mandritra ny 50 taona, azo havaozina. Nanaraka ny fepetra rehetra takin’ny lalàna sy fitsipika mifehy azy izany.
Ho fanavaozana ny an­gon-kevitra momba ny tany, nisy fidinana ifotony ny 3 avrily 2025. Niarahan’ny prefen’ny polisy ao Nosy Be sy ny mpandrefy tany mpahay tsy miankina ary ny solontenan’ny orinasa izany. Tanjona voalohany ny hihaona amin’ny mponina ary hilaza fa tsy misy fifandraisany amin’ny fandroahana ny fandrefesana atao, fa hahalalan’ny rehetra ny faritry ny tany ka hanisana an’ireo trano na izay zavaboahary toy ny hazo eny an-toerana.
Mampalahelo fa misy fanelingelenana natao am-piheverana politika amin’ny ara-pitantanana mahazatra toy izao, izay tohanan’ireo vahiny na Malagasy mpandraharaha tsy manana zo sy sata ara-dalàna amin’ny alalan’ny fanakorontanana. Tsy avy any amin’ilay faritra akory ny ankamaroan’ireo mitarika izany.

R. Nd.

Partager sur: