Araka ny vaovao niely tao anaty tambajotra, omaly, dia nisongadina indray i Njiva, lohalaharan’ny Barea. Nahatafiditra baolina telo, tamin’ny lalao nihaonana tamin’ny Khonkaen FC, ny tenany, ny alahady lasa teo, tany Thailande. Nandresy tamin’ny isa 7 no ho 4 moa ry Njiva sy ny klioba misy azy: Ratchaburi FC.
Mandray anjara amin’ny atrikasa tanterahina amin’ity herinandro ity, any Afrika Atsimo, ny tale teknika nasionalin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Rasoanaivo Rado, sy ny tomponandraikitra misahana ny baolina kitra, sokajy vehivavy eto Madagasikara, Todiniaina Lomie.
Voahosotra ho tompondakan’i France alohan’ny fotoana indray ny klioban’ny Paris Saint Germain (PSG) ny sabotsy lasa teo. Niampy telo indray ny isan’izy ireo rehefa nandresy ny SCO Angers 1 no ho 0. Tsiahivina fa manana isa 74 izy ireo amin’izao fotoana izao ary manaraka azy aoriana kosa ny Marseille, manana isa 52.
Hotanterahina anio ny lalao ampahefa-dalana mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, “Ligue des Champions 2025”. Anisan’ny fifanandrinana azo heverina ho toy ny famarananakely ny fihaonan’ny Arsenal FC (anglisy) sy ny Real Madrid FC (espaniola), tompondakan’ny LDC farany teo.