Nahitana fatin-dehilahy tokony ho 50 taona, tapa-tanana sy niboridana, tao anaty kininina Ambodilaona, Ambohitseheno, ny sabotsy teo. Tsy nisy nahafantarana azy ny razana tamin’io fotoana io. Vinavinaina ho efa maty tao anatin’ny herinandro teo io lehilahy io.
Lehilahy roa nifanenjehin’ny fokonolona tetsy Ambohipo, ny marainan’ny alahady lasa teo. Tratra nanao sinto-mahery teny an-dalana izy io ka niantsoan’ny olona polisy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy roa lahy raha tsy tonga teny an-toerana ny polisy avy amin’ny CSP2 Ambohijatovo. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Toeram-pisotroana 12 tsy maintsy nakatona nandritra ny hetsika bemidina nataon’ny fari-piadidian’ny kaomisaria 67ha. Nalefa tany amin’ny polisy PMPM ny ankizy tsy ampy taona miisa roa. Natao famotorana kosa ireo olona 25 nandeha alina ka tsy nanana karapanondrom-pirenena.