Manatanteraka ny andrana teknika amin’ny fitaterana an-tariby, zotra Orange, miainga eo amin’ny La City Ivandry mankeny Ambatobe ny ekipa amin’izao fotoana, raha ny tatitra avy amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana. Haharitra 3 herinandro ny fampandehanana ireo cabines miisa 89 sy ny fanaraha-maso farany hatao mialoha ny andrana farany dia ny fandehanan’ny olona amin’izany.
Ho an’ny zotra Soarano mampitohy an’Ivandry kosa dia eo am-pamaranana ny fametrahana ny tariby ho an’ny tapany faharoa ny ekpa amin’izao. Hiroso tsy ho ela amin’ny andrana teknika ihany koa izany.
Nampahafantatra ny SENVH fa hatomboka dieny izao ny fampahafantarana ny olona ireo didim-panjakana mamaritra ny fepetra rehetra ho fiarovana ny TPC.
Hitondra fiovana sy fivoarana ho an’ny fitaterana eto Antananarivo ny fandehanan’ ny zotra an-tariby araka ny vina napetraka.
Mbola maro ny fampianarana sy fanabeazana mila entina handresena lahatra ny mponin’Antananarivo mahakasika ny zotra. Eo koa ny fomba fampiasana azy sy ny fanajana ny fotodrafitrasa mba tsy ho potika anaty fotoana fohy fa tena ho lovain-jafy tokoa.
Tatiana A