Ankazomanga : Trano hotohoton’ny afo

Nitrangana haintrano mahatsiravina teo amin’ny fokontany Ankazomanga Atsimo, boriborintany fahatelo, ny alin’ny talata 7 avrily teo. Trano lehibe iray niharan’ny firehetana tampoka tamin’ny 9 ora alina. Nikoropaka namono ny afo ny manodidina. Nitaona rano sy nitady hevitra nifehezana izany. Nihombo vetivety ny firehetana. Tetsy ankilany, naharay antso ny sampana mpamonjy voina ka nanetsika avy hatrany ny ekipany. Minitra vitsy taorian’io, nigadona teny an-toerana izy ireo. Niditra an-tsehatra tamin’ny famonoana ny afo. Naharitra 46 minitra ny fifehezana tanteraka ny afo. Kilan’ny afo avokoa ny entana tao amin’io trano lehibe misy rihana niharan’ny firehetana io. Mitotaly 15 ireo tra-boina tsy manan-kialofana. Tsy voafaritra mazava ny tena anton’izao haintrano izao, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana nidina ifotony nandritra ny voina. Firehetana vokatry ny tsy famonoana afon-tsaribao no nitarika io loza io, hoy kosa ny fanazavan’ny iray tamin’ireo lasibatra.

Tsiferana R.

Partager sur: