antoko VHT : “Tokony hiaraha-mijery ny fanaovana politika eto”

“Mikorontana tanteraka ny fanaovana politika eto Ma­dagasikara. Tsy misy fitsipika demokratika mandeha intsony. Ny zava-misy: rehefa ma­nelingelina ny tombontsoan-dRanona dia tonga ny famotehana. Na mety hiafara amin’ny famoizana aina aza…” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razanakoto Norbert, manoloana ny toe-draharaham-pirenena tato ho ato. Teo, ohatra, ny famonoana ny ben’ny Tanànan’i Mangata­boahangy, Ambatofinan­dra­hana. Toy izany koa ny fanafihana ny ben’ny Tanànan’i Tanambao Tsirandrany, Be­kily, nametrahana samboady ka nahafaty ny zanany. Raha mitohy izany, mifampilako tampoka na eny an’elakela-trano aza.
Taiza no misy fanaovana politika mifamono, raha tsy hoe fanonganana amin’ny fomba halako bika tsy tiako tarehy? Tsy misy zavatra milamina intsony eo amin’ny fanaovana raharaha politika. Resaka tombontsoa no betsaka. Mazava ireny zava-nitranga rehetra ireny… Taiza teto ambonin’ny tany sy teto Madagasikara no mbola nisy olom-boafidy matimaty fotsiny amin’izao fa misy mamono. Misy zavatra tsy mandeha araka ny fahamarinana intsony ny fanaovana ny raharaha politika sy ny fitantanan-draharaha. Ny dikan’izany: fiarovana tombontsoa fotsiny sisa… Izay manelingelina tombontsoa dia darohina.
Tokony hojerena izany rehetra izany. Izay ilay hoe miverina an-doharano, manao fanorenana ifotony. Tsy tian’ny olona ny hoe mifampiresaka. “Antsika rehetra i Mada­gasikara dia tokony hifampiresahana, fa aza anaovana didy jadona sy didiko fe lehibe”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: