Naneho ny heviny momba ny fampiakaran’i Etazonia ny haba 47% ny Depiote Rajerson Antoine. Tokony handini-tena isika eto Madagasikara, araka ny nambarany…
«Tokony handini-tena isika eto Madagasikara, ary hanomboka hijery fa misy zavatra tsy mety sy tsy manjary ataontsika eto. Raha mieritreritra handroso sy handeha lavitra eto amin’ny tany sy ny fanjakana isika, ka tena hampandroso ny vahoaka malagasy ato anatiny dia miteny hatrany hoe mamokarà». Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny tsy miankina Fiovana ivoaran’ny eny ifotony (Fivoi), Rajerison Antoine, manoloana ny haba 47% amin’ny entana aondrana any Etazonia. Hahazoana mampiakatra ny harinkarena faobe izay famokarana izay, mampitombo ny hetra any amin’ny fanjakana. Hampandrosoana sy hampiroboroboana ny tanindrazana koa.
“Isika manana an’ireo orinasa afa-kaba ireo, izay mampiasa olona any amin’ny 70 000 any”, hoy izy. Ho zakan’ireo orinasa ireo ve ny hampiditra entana any Etazonia amin’ny haban-tseranana 47 %? Inona no fiantraikan’izay: mety hijanona manohy ny asany ihany ihany ve ny orinasa sa hihena ho ambany be ny karaman’ny mpiasa sa hikatona tanteraka? Misy olona any amin’ny 70 000 any izany tsy hanana asa rehefa kelikely. Inona no tokony hatao? Raha resahina ny jirofo sy ny lavanila, ohatra, mbamin’izay entana azo aondrana rehetra, mila jerena ny lalam-barotra amin’izany. Mila atao marin-toerana sy hatsaraina koa ny vidim-bokatra. Tena ilain’ny olona izay. Raha azo atao ny fanodinana vokatra eto an-toerana, ny fananganana orinasa… Fanafarana orinasa lehibe any ivelany izany. Hampiasaina koa ny vola ao anatin’izany hahazoana manodina vokatra eto. Vokatra efa voahodina no haondrana any ivelany. Tsy voatery akoram-bokatra tsy voahodina ihany no aondrana.
R. Nd.