Mifototra amin’ny fambolena ny 90% ny mponina any amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Manjakandriana. Ankoatra ny vary, mamokatra ovy sy legioma hafa ihany koa ny tantsaha. Nihaona tamin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahaefa Tahian’Ny Avo, omaly, ny ben’ ny Tanàna voafidy tany an-toerana, ny Dr Ratsimanetrimanana Fenosoa, lany tamin’ ny anaran’ny antoko Fivoi.
Vonona sy mavitrika hiara-kiasa sy handray ny tetikasan’ny filoha Rajoelina, tanterahin’ny Sesa ny kaominina Ambohibary. Nambaran’ny ben’ny Tanàna, fa «politikam- pampandrosoana no mibaiko sy resahina eto, ary akisaka ankilany ny politika politisianina. Mangetaheta fampandrosoana ny mponina, indrindra ny lafiny famokarana sy ny fanohanana ny tantsaha. Tanjona ny hamerenana an’Ambohibary ho Vohitry ny vary eto Analamanga, izay hatao ho Tanàna filamatra».
Mipaka isan-tokantrano
Hiara-kiasa ny roa tonta, hampiasaina ny teknolojia vaovao ara-pambolena, haparitaka ny zezika, havaozina ny fotodrafitrasa fanajariana ny lemaka, sns. Nilaza ny sekreteram-panjakana, fa «misokatra amin’ny rehetra ny Sesa. Politikam-pampandrosoana ny vinan’ny filoham-pirenena hoe Madagasikara mahaleo tena ara-tsakafo». Mitondra vokatra haingana sady mipaka isan-tokantrano sy hanova ny fari-piainan’ny mponina, ny fifanomezan-tanan’ny fahefana mpanantanteraka sy ny eny ifotony.
Njaka A.