Fampandrosoana eny ifotony : Hamboarin’ny ONG2AH ny lalana ao Amboanana

Naneho fahavononana ny hifarimbona amin’ny asa tagnamaro hanamboatra ny lalàna mirefy 30 km ireo vahoakan’ny kaominina Amboanana, Arivonimamo. Nisitraka ny fitaovana hanamboarana izany lalana izany tamin’ny “Association d’Aide Humanitaire -Andry antoky ny hoavy – ONG 2AH” ireo fokonolona hanatanteraka ny asa. Nambaran’ny filohan’ity fikambanana ity, Andriamihaja Andriatsimiandriambony Iadjah, fa hitondra ny anjara birikiny izy ireo amin’ny fanamboarana ny lalana ratsy, miainga eo Ampahimanga Manalalondo Arivonimamo, mankany amin’ny kaominina Amboanana. Hiantoka ny hoenti-manana rehetra amin’izany ny fikambanana tarihiny.
Etsy andaniny, handray anjara hanampiana ny mpiara-belona sy hanomezan-tanana ny fitondram-panjakana koa ny fikambanana. Anisan’izany ny hanomezana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) ho an’ny tokantrano 200 mahery. Hifantina ireo tena sahirana amin’ireo fokontany 17 ao an-toerana kosa ny eo anivon’ny kaominina. Hanome tantsoroka ny CSB2 sy ny CEG ary EPP koa ny ONG 2AH mba ho fanatsarana sy hanavaozana ireo fotodrafitrasa ireo.

Synèse R.

Partager sur: