Faritra Anôsy : Nahazo tafo hanarenana ny tanàna simba

Maro ny fahavoazana niteraka takaitra ho an’ny mponina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Jude tany amin’ny faritra Anôsy. Tsy nitazam-potsiny fa nanolo-tanana ny orinasa QMM RioTinto ao an-toerana, ka nanolotra fanampiana tamin’ny alalan’ny CCO Anôsy.
Fanitso 3 000 sy fantsika no nomena ho fanarenana ny simba hahafahan’ny mponina miverina amin’ny andavanandrom-piainany. Ny 250 amin’izany tafo izany dia atokana hanarenana ny Lycée teknika. Niampy vary 500 gony izany.
Nanotrona ny fandraisana ireo fanampiana ny governoran’ny faritra Anôsy, Rakotovelomanantsoa Voahary. Zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ho fitsinjovana miaraka ny tombontsoan’ny vahoaka.
Niteraka faharavan’ny tanàna sasantsasany ny rivodoza ary mila harenina haingana araka izay tratra izany mba tsy hisian’ny fihemorana amin’ny fihariana ho an’ny ray aman-dreny na ho an’ny fampianarana ihany koa.

Tatiana A

Partager sur: