Fialana amin’ny fampanambadiana ankizy : Ray aman-dreny 300 hofanina ao Ambovombe

Nifarana tamin’ny fitsidihana ny ivontoerana ao Be­tsimeda Ambovombe ny dian’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ao amin’ny faritra Androy, ny faran’ny herinandro teo. Miantsehatra amin’ny fanabeazana sy fampiofanana ny ray aman-reny hialana amin’ny fanambadiana aloha loatra ary manampy amin’ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy ny ivontoerana. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana ny tetikasa voizin’ny « Azafady Babako » ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ary ny Fonds d’intervention pour le développement (FID). Miisa 300 ireo ray aman-dreny avy ao amin’ny fokontany Betsi­meda, kaominina Marolomainty, no nandray fiofanana momba ny fanamboarana savony sy mofomamy, fanefena, fandrariana, zaitra… hanampy azy ireo hahazo fidiram-bola maharitra.
Notolorana fitaovana koa izy ireo ahafahany manomboka asa avy hatrany, toy ny milina fanjairana, groupe élec­trogène, fitaovana soudure.
Notsipihin’ny minisitra nandritra ny lahateniny fa fandresena ho an’ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy ny tetikasa toy izao. Nitondra hafatra ho an’ireo vehivavy nahavita fiofanana izy: « Efa nahavita dingana lehibe ianareo vehivavy sy zazavavy, ka aza mihemotra intsony. Iana­reo izao no maodely ho an’ny vehivavy eto Madagasikara, mpandresy ianareo. »
Hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny FID sy ireo rafitra ao an-toerana ny minisitera, izay nanampy tamin’ny fanentanana sy ny fiarovana ny zon’ny ankizy ao amin’ny faritra Androy.

Vonjy

Partager sur: