Fahiny, tsara taiza ny Malagasy. Nanan-taranaka vanona sy nahalala ny fombany i Madagasikara… Ankehitriny, zaza sy tanora ratsy taiza. Manao randrana tsy manendrika azy. Miady fo ho «Rajakom-bazaha» araka ny tononkalon’i Jean Narivony… Tsy ho tonga any amin’ireo lalan-diso ireo ny Malagasy miaina amin’izao vanim-potoana izao raha nanana fitaratra tsy lany manja, manoro lalan-diso ireo raiamandreny. Ambonin’ izay, moana manoloana ny tsy mety ataon’ny zanany. Lalodalovana tsy maheno ny afitsoky ny taranany. Minia mitampi-maso raha manatrika ny fihoaram-pefy…
Firy amin’ny ray aman-dreny no mahafantatra ny tantaran-drazany na ireo fototra nipoirany? Mahalala ny tanin-drazany, ny fombany, ny kolontsainy? Hatramin’izao, mbola maro ny ray aman-dreny manamaivana ireo. Hany ka miantsampy amin’ny tsy azy ny taranany… Tonga amin’izao fahaverezam-pototra izao ny fiarahamonina malagasy sy i Madagasikara. Mitsingilaila ka zary kilalaom-bahiny. Mihevi-tena ho vahiny. Diso tanindrazana?
HaRy Razafindrakoto