Hira fiderana : Hanolotra seho goavana ny TMI

Tsy honohono intsony fa tena raikitra! Ny alahady 13 avrily izao, manomboka amin’ ny 2 ora tolakandro, ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina etsy Imaha­masina. Hanatanteraka seho fiderana goavanabe ny Ta­nora Masina Itaosy. “Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy i Jehovah” Jer.31:17a. Araka io teny faneva io, ny fanantenana ao amin’i Jesosy indray no lohahevitr’ity fampisehoana an-tsehatra ity, raha ny fanazavan-dry zareo Tanora Masina Itaosy.
Hahazo vahana kokoa, eny an-toerana, ny loko mai­tso. Ankoatra izay, tahaka ny mahazatra sy efa zary fomba fanaon’ny TMI, hisy ny tsy ampoizina amin’io fotoana io. Ny efa fantatra kosa, hampiasa ny «bracelet fluoriscent» ny eny an-tsehatra sy ny mpijery ka hisy ny fihetsika mirindra sy hiarahan’ny roa tonta.
Marihina fa eo amin’ny tontolon’ny hira evanjelika sy hira fiderana an’Andriama­nitra. Ny TMI no nahavita fitetezam-paritra sy fampisehoana maro indrindra tamin’iny taona 2024 iny. Antony iray hanatanterahin’ny TMI ity seho goavana be ity izany. Seho santantra hitadiavana ny hoenti-manana hividianana fiarakodia, hanatanterahana fampisehoana manerana an’i Madagasikara. Fantatra mantsy fa mbola mitoetra ho olana ho an’ny TMI ka tsy hahavitany ny seho tokony hotanterahiny ny fitaovam-pitaterana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: