Tsara ho an’ny mpiasam-panjakana na amin’ny sehatra tsy miankina ny mahafantatra ireo lalàna mifehy ny asa mba tsy hisian’ny fanararaotana na fanapahana tsy ara-drariny ny karama ka miterika disadisa. Manao ezaka mampahafantatra ny minisitera.
Manao fizarana ho fampahatsiahivana matetika ireo mpiasam-panjakana sy mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina ny lalànan’ny asa sy zon’ny mpiasa ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananana asa.
Ampahatsiahiviny amin’izany fa anisan’ny zo sitrahin’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina ny fahazoana 15 andro misesy tsy hiasana rehefa miditra hôpitaly ny vadiny, na lehilahy io na vehivavy. Voalaza ao amin’ny andininy 31.05, ao amin’ny lalàna laharana 2024-014, mahakasika ny fehezan-dalàna mifehy ny asa izany.
Mila mampiseho ny taratasy fanamarinana fampidirana hopitaly amin’ilay olona. Vady vita soratra ara-panjakana ihany anefa no ahafahana misitraka izany. Zon’ny mpiasa koa ny misitraka tambin’ny fiantohan’ny fifanekena arakasa mandritra ny fotoana tsy niasana.
Ho an’ny mpiasa any amin’ny sehatra tsy miankina kosa, manan-jo hahazo 03 andro tsy hiasana ny raim-pianakaviana rehefa tera-bao ny vadiny. Io ilay antsoina hoe “Congé de paternité”, araka ny voalazan’ny andininy faha 134 ao amin’ny lalàna laharana 2024-014 mahakasika ny fehezan-dalàna mifehy ny asa hatrany. Aloan’ny orinasa vola tahaka ny andro niasana ireo telo andro nanapahana ireo.
Antony anaovana ny fampahafantarana ankarihary ny tsy fahafantaran’ny mpiasa akory ny zo tokony hositrahany, indrindra amin’ny karazana andro tsy iasana na fanapahana amin’ny asa.
Misy koa ireo orinasa manararaotra na manao tsindrihazolena amin’ireo mpiasa ao aminy ka tsy manaja ireo karazana fehezan-dalàna sy fitsipika efa mipetraka ireo. Miteraka disadisa miafara amin’ny fanapahana karama mihitsy izany indraindray ka tsara ny mahafantatra ireo lalàna mamaritra ny asa.
Tatiana A