Natao ihany ny tsy hiteny amin’ity lozam-pifamoivoizana miseholany etsy sy eroa ity. Isan’andro vaky izao, misy hatrany ny maratra na maty. Mihamaro ny kamboty tsy fidiny, na nilaozan-janaka tsy satry. Mijininika ny ra manerana ny tanàna. Sanatrian-dresaka fa tsy asian’ilay olombelona vidiny intsony ilay atao hoe aina. Betsaka amin’ny loza no tsy fitandremana sy fanaovana antsirambina.
Mampivarahontsana ny mahita ireto fitaovam-pitaterana mitrifatrifana etsy sy eroa. Tsy an-kifidy io na lalan-tery na arabe migodana. Tsy misy an-kiraharaha ny mety ho sakana hitera-doza fa ny hiridana ihany no masaka an-doha. Ny ankamaroan’ny voina namoizana ain’olona dia noho ny fandehanana mafy. Mahavariana fa na arabe migodana na anaty fitohanana, mbola misy ny sahy mifaninana amin’ny fandehanana mafy.
Tsy vitan’izay anefa, ny fiara na ny moto ampiasaina amin’io mbola tsy voakarakara. Tsy ampy ny fanaraha-maso tekinika. Miankina amin’ny lahatra fa tsy misy mivaky loha amin’ny fikojakojana. Ekena fa midangana ny fanaovana fitiliana ny fiara matetika sy ny fanoloana kojakoja fa tsy tokony hisy hanao sorona ny ainy na ny ain’ny hafa. Tena mila finiavana ny mahakasika izay teboka iray izay.
Asiana tsindrim-peo koa anefa ny mahakasika ny fomba fiasan’ireo mpanamarina tekinika eny anivon’ny toby voatokana hanao izany. Mila hentitra sy sarotiny ny manampahefana fa tena efa tafahoatra ny voka-dratsin’ny kolikoly sy ny mety ho firaisana tsikombakomba amin’ny tompon’ny fiara. Indrindra ireo tsy te hisahirana fa zatra ny “manome kely”. Tsy voavidin’ny volakely noraisina.
Mifanindran-dalana amin’izay, tokony tsy ho tiatiakely ny tompon’ireny fitaovam-pivezivezena ireny, fa hazoto ny hanatona ny toera-panamarinana. Raha fehezina, samia mitandrina, samia tomponandraikitra fa lahy tokana ny aina.
r.r