« Ma voix compte » : Hihazo an’i Mahajanga indray ny fampirantiana saripika

Fampirantiana mitety tanàn-dehibe. Efa tontosa ny tany Antsiranana, Ambanja ary Antsohihy, ny faran’ny herinandro teo. Hitodi-doha any Mahajanga indray ny “Ma voix compte”, entin’ny fikambanana Sar’Nao.

«Ma voix compte», azo hadika tso­tsotra hoe «ma­nan-danja ny feoko». Fam­pirantiana mitety tanàn-dehibe izy ity, izay iarahan’ny fikambanana Sar’Nao miketrika amin’ireo mpiara-miombon’ antoka aminy, izay manana tanjona ny hampahafantatra ny tantaran’ireo vehivavy ma­lagasy vitsivitsy, mety ho loharanon’aingam-panahy ho an’ ireo namany. Fampirantiana saripika amin’ny ankapobeny, fa tsy izay ihany anefa ny ao anatin’ny tetikasa. Nanom­boka tany Antsiranana no nitondrana izany, ny 24 febroary. Nitohy tao Ambanja, ny 10 marsa ary tao An­tsohihy, ny 14 marsa. Roa herinandro teo ho eo ny faharetan’ny fandalovan’ny hetsika tamin’ireo tanàn-dehibe ireo, nahafahana nifanakalo manodidina ny lohahevitra.
Nisy hatrany mantsy ny fihaonana narahin-tafa tamin’ ireo fikambanam-behivavy tany an-toerana. Nanazavana ny tanjon’ny fampirantiana ireny, sy nanoritana ihany koa ny drafitra mankany amin’ny tanjona. Nampiaraka zavakanto marolafy ankoatra ny saripika, satria nasongadina ihany koa ireo karazana fitafy, taovolo, sns. “Tsy fanehoana zavakanto ihany no tanjonay, fa indrindra koa ny fanabeazana ny mpiara-monina amin’ny alalan’ny hetsika”, hoy i Fidi­soa Ramanahadray, mpaka sary sy mpanorina ny fikambanana Sar’Nao.
Any Mahajanga indray ny fotoana manaraka amin’ny “Ma voix compte”, ny 5 hatramin’ny 17 mey izao, ao amin’ ny Alliance française Maha­janga. Tafiditra anatin’ny he­tsika fankalazana ny faha-50 taonan’ity toerana ity rahateo izany. Ankoatra ny fampahafantarana samihafa, hisy hatrany ny fifanakalozana amin’ireo fikambanana, ny fi­tsidihana ny fampirantiana, ny adihevitra, ny atrikasa isan-karazany ary ny fampiofanana amin’ny saripika.

Vita mihitsy ireo tanàn-dehibe ireo vao mitodi-doha aty Antananarivo ny fikambanana Sar’Nao sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin’ ity tetikasa ity.

Zo ny Aina

Partager sur: