Madagascar Airlines : Saran-dalana manokana ho an’ny paka

Nitondra fanazavana mahakasika ny saran’ny tapakila manoloana ny filazana fa lafo ny saran’ny sidina ataony ny kaompania Madagascar Airlines. Misy ny saran-dalana ho an’ny «classe affaires» izay mandrakotra zotra efatra amin’ny famandrihana natao amin’ny fotoana be mpivezivezy, indrindra ny herinandro manodidina ny paka. Misy koa, hoy izy ireo, tapakila mora kokoa amin’ny «classe économique» izay manodidina ny 680 000Ar (165 €) isaky ny zotra.
Ankoatra izay, misy ny tapakila manomboka amin’ny 386 000Ar raha manao famandrihana mialoha kokoa amin’ny vanim-potoana mahavitsy ny mpandeha. Noho izany, manana safidy mora kokoa ny besinimaro ary miovaova arakaraka ny fotoana sy ny hafenoan’ny sidina ny saran-dalana, araka ny fitsipika amin’ny fitantanana «yield».
Tsiahivina fa misy ny paikady napetraky ny orinasa nandaminana ny sidina anatiny nanomboka ny volana oktobra teo. Marihina fa miezaka manarina ny toe-bolany ny kaompania Madagascar Airlines. Tafakatra 37 tapitrisa dolara ny fatiantoky ny orinasa tao anatin’ny 21 volana, izay niteraka trosa mihoatra ny 35 tapitrisa dolara.

Henintsoa H.

Partager sur: