Nitangoronan’ny olona ny polisy iray monina eny Anosibe, omaly. Voalazan’ny nanatri-maso fa nidaroka mpitondra taxi-bisikileta izy. Naratra sy vaky loha ity farany.
Polisy iray monina eny amin’ny fokontany Mandrangobato II, Anosibe, no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, omaly. Voalaza fa nanao fanamparam-pahefana, nidaroka mpitondra taxi-bisikileta izy. Nahatezitra ny mponina, izay mpiray tanàna amin’ilay mpitandro filaminana ny zava-nisy ka nahatonga ny fitangoronana. Raha ny angom-baovao natao teny an-toerana, nijanona nanala olona ilay mpitondra bisikileta. Nipitika anefa ny kapany ilany. Voatsindry tao ambanin’ny kodiaran’ny moto nentin’ilay polisy izany.
“Notrongisin’ity farany tamin’ny moto avy hatrany izy raha niondrika haka ilay kapa. Nadonany tamin’ny sisin-dalana, mbola nodarohany sy nodakany koa ny lohany. Vokany, naratra, nivonto ary nandeha ra ny lohan’ilay lasibatra”, hoy ny fitantaran’ny mponina marobe teny an-toerana.
10 000 ariary
Nisorohana ny savorovoro, niala teny an-toerana ilay polisy. Navelany teo ny motony. Ny vahoaka ihany koa efa niandry azy hiverina. Tsy nanatona intsony izy fa naniraka olona nanelanelana. Nampitondra vola 10 000 ariary mba hitsaboana ny lasibatra. Nikasa haka ilay moto ihany koa izy izay nosakan’ny olona marobe nitangorona teo an-toerana.
Raha ny fanazavana nomen’ilay iraky ny polisy dia ilay mpitondra bisikileta no nandaka ilay moton’ny polisy. Izay no nahatonga ny fikasihan-tanana; Tsy nanaiky ny resaka nataon’ity mpanelanelana ny mponina raha tsy nentina tany amin’ny hopitaly ny maratra.
Nambaran’ny mponina manodidina fa efa fanaon’ity polisy ity ny manampatra fahefana eny an-toerana ka hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny lehibeny.
Nilamina ny raharaha rehefa nentina hotsaboina ilay mpitondra bisikileta.
Mino