Raharaham-pirenena : Manaitra ny mpitondra ny HVM

Naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny eo anivon’ny antoko HVM, tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa tokony hahay haka lesona ny mpitondra sy ireo mpiara-dia aminy. Ny fahoriam-bahoaka sy ny fahapotehan’ny firenena no tokony hanosika ny rehetra hanao tambabe hiadiana amin’ny tsy fanarahan-dalàna, araka ny nambarany. “Ilaina ny fitoniana fa tsy tokony hanao amboletra eto amin’ny firenena…”, hoy izy. Nanteriny koa fa tokony hipetraka ny firaisankinan’ny samy depiote mba tsy haneho hevitra miandany rehefa lalàna no resahana. Notsiahiviny fa tahotra ny hiverenan’ny fomba nitondrana ny hetsiky ny depiote 73 tamin’ny 2018 no nampandaniana ny fitsipika anatiny ny jolay 2024. “Manitsa­kitsaka ny Lalàmpanorenana anefa izany: solombavambahoakan’i Madagasikara no fiantsoana ireo mpikambana ao amin’ny Antemierampirenena”, hoy izy. Notsindriny koa fa voasoratra amin’ny fitsipika anatiny ny fahafahan’ireo depiote manatrika ny fivorian’ny vondrombahoakam-paritra.

Synèse R.

Partager sur: