Notanterahina tany Saidia Oujda, Maroc, ny 4 hatramin’ ny 5 avrily lasa teo, ny semineran’ny Federasionin’ny rugby eto amin’ny faritr’i Afrika. Nandray anjara tamin’izany avokoa ireo federasionina maro misy eto Afrika, ary misolo tena ny Malagasy Rugby amin’izany, ny Dokotera Rajaona Felana. Tanjona amin’izany ny hampandrosoana ny Rugby, amin’ny sehatra fampianarana sy ny lafiny olympika. Araka ny fanazavana navoakan’ny pejin’ny Malagasy Rugby, hametrahana fototra sy paikady vaovao manomboka amin’ny sekoly, mankany amin’ny oniversite ary miafara any amin’ny lalao olympika.
Nandritra io fotoana io ihany koa no nanaovana fifampizarana ny zava-misy sy ny hetsika nataon’ny federasiona tsirairay, izay niampy tamin’ny fampivelarana ny toe-javatra misy ao amin’ny fireneny tsirairay avy.
Nifarana tamin’ny fananganana fifanarahana iraisana sy ny drafitra iray izay hampiharina amin’ny federasionina rehetra. Ankoatra izay, nasiana resaka tao ihany koa ny “Safeguarding” na fiarovana sy fahasalamana ho an’ireo mpanao fanatanjahantena. Tsiahivina fa zava-dehibe ny hananan’ny federasionina tsirairay politika mazava sy hentitra amin’ny resaka fiarovana mba hahazoan’ireo mpiantsehatra antoka amin’ny resaka fahasalamana eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, indrindra fa ho an’ny tanora.
F.R