Misongadina hatrany ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, i El Hadary, any France. Ny alahady lasa teo, nandritra ny andro faha-23 hiadiana ny ho tompondakan’i France, sokajy U19, nivoaka ho mpandresy tamin’isa 4 no ho 2, nanoloana an’i Mulhouse ny ekipan’ ny Paris FC misy azy. Anisan’ireo nahafaty ny baolina iray tamin’izany ny tovolahy.
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny Mahamasina, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksionina Analamanga, taranja basikety, sokajy zandriny U14, lehilahy sy vehivavy. Tafita hiatrika ny famaranana amin’izany ny MB2All sy ny AS ST Michel, amin’ny sokajy lehilahy.
Hitohy anio ny lalao ampahefa-dalana mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, “Ligue des Champions 2025”. Anisan’ny fihaonana tena heverina ho toy ny famaranana kely ny an’ny FC Barcelone, Espagne, sy ny Dortmund FC, Allemagne. Tsiahivina fa hatao any Barça ny lalao voalohany.
Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotra seraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), hivoaka anio ny lisitry ny vehivavy mpilalao izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Barea Ladies. Izy ireto izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Futsal, any Maroc, ny 22 -30 avrily ho avy izao.