TARATRY ny KANTO

Hotontosaina anio ny famaranana amin’ilay fifaninanana voalohany momba ny “violon” sy “violoncelle” eto Madagasikara. Manomboka amin’ny 9 ora sy sasany izany, etsy amin’ny Kudeta Anosy. Nozarain’ny Madagascar Mozarteum ho sokajy roa ireo mpifaninana, ka hivoaka anio avokoa ny mpandresy isan-tsokajy.

« Hikalo ny kanton’i Bessa sy Lôla ». Fampisehoana an-tsehatra hiarahana amin’i Faniry Raelison, Mahery sy Nanie ary Farakely, hotanterahina ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 11 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fotoana hikaloana ireo hira nahafantarana ireto andrarezin’ny hira malagasy ireto

Nodimandry ny talata teo, tao amin’ny hopitaly manara-penitra Toamasina, i JaoMahery. Mpanakanto sady mpikarakara hetsika no tompona fanamafisam-peo izy. Malaza ao amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana, satria mpitantana ny Studio Be Njagnahary sy ny Jyao Pro. Efa nanosika sy namokatra ny sanganasana mpanakanto maro izy, na dia tsy fantatry ny rehetra aza.

Hankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny dihy Andramasina. Hisy, araka izany, ny fifaninanana dihy, hatao ny 29 avrily izao, eny Ampilanonana Andramasina. Ny delegasionin’ny Serasera sy ny kolontsaina any an-toerana no mikarakara izany, sy manao antso amin’ireo tanora misehatra amin’ny dihy mba hisoratra anarana amin’ny fifaninanana.

Partager sur: