Tontosa soa aman-tsara ihany ny Trail d’Ibity 2025 na teo aza ny raho-mainty nitatao tamin’ny fifaninanana. Nandrombaka ny fandresena i Odilon sy i Jean-Claude. Nibata ny amboara teo amin’ny fihaonana ho an’ireo orinasa sy ny mpanohana, ny ekipan’ny Colas Madagascar.
Notanterahina ny alahady 6 avrily lasa teo, tany Antsirabe, ny Trail d’Ibity andiany faha-9. Fihaonana nokarakarain’ny fikambanana ATA na Antena Technologie Antsirabe. Nandrombaka ny fandresena Rakotonirina Jean-Claude, teo amin’ny halavirana 15 km, nahavita izany tao anatin’ny 58 mn 44 s, narahin’i Tanjonirina Fulgence, 1 ora
03 mn 52 s ary fahatelo, i Tovonirina Albert, 1 ora 04 mn 28 s.
Ho an’ny 31 km kosa, voalohany i Hasinjanahary Odilon, 2 ora 49 mn 59 s ny fe-potoany. Faharoa i Jean-Claude, ora 2 sy 50 mn 03 s ary namarana ny fiakarana lampihazo Randrianambinina Kotoarisoa Theo, 2 ora 52 mn 31 s.
Ankoatra izay, nisy koa ny fifaninanana nandraisan’ireo orinasa na “Corporate”. Norombahin’ny Colas avokoa ny amboara tamin’izany. Teo amin’ny 15 km, voalohany Raholison Tsiresilahatra, 1 ora 18 mn 04 s. Tonga tao aoriany, Razafindralambo Lovasoa, 1 ora 20 mn 12 s. Tara 14 s taorianany kosa Razafimahatratra Noel. Ho an’ny halavirana 31 km, lasan’ny Colas avokoa ny laharana telo voalohany ka nibata ny amboara Rahajanirina Jean-Marc. Tsiahivina fa ny vola rehetra azo tamin’ity fifaninanana ity dia hatolotra manontolo ho an’ny ATA, trano mikarakara ireo ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ao amin’ ny faritra Vakinankaratra. Nahatatra 1700 ireo mpifaninana ka nisy frantsay sy Italianina ankoatra ny Mala-gasy.
Noseranin-drahona ity noho ny fahafatesan-dRafanomezantsoa Solofonirina Joseph, izay nivoaka ny lalana nifaninanana, ka tratry ny fianjerana rehefa nahavita 5 km. Efa noraisin’ny mpikarakara sy ny tomponandraiki-panjakana any an-toerana ny fikarakarana sy ny fandevenana azy any Betafo.
Torcelin