Lehilahy iray 25 taona hita faty tany Itavy Mangidy, tany Ikalamavony, omaly maraina.Nahitana tsindrona fito ny vatany, anisan’izany ny teo amin’ny masony, ny tratrany, ny kibony ary ny tongony, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandarimaria any an-toerana.
Voasambotry ny polisy ilay lehilahy mpitondra bajaj nandoro lasantsy ny vadiny tany Mahajanga, ny alatsinainy teo. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG) izao hetsika fisamborana izao. Tsiahivina fa nodoran’io lehilahy io ny vadiny rehefa hitany niaraka tamin’ny olon-kafa teny amin’ny Village touristique Mahajanga,tamin’ny 12 ora alina. Tezitra ny olona ka saika hanao fitsaram-bahoaka an’io lehilahy io.
Lehilahy mamo mila ady amin’ny olona tetsy Anosy voasambotry ny Polisy mpandrindra ny fifamoivoizana, afakomaly hariva. Nanao fandikan-dalàna maro izy io, raha ny fantatra, manao maloto an-kalamanjana, mila ady amin’ny mpandalo ary nanohitra ilay Polisy niteny azy noho nyfandikan-dalàna nataony. Nentina eny anivon’ny kaomisaria Mahamasina izy mba handraisana fepetra mifanaraka amin’ireo fandikan-dalàna nataony.
Nahitana fatim-behivavy tokony ho 40 taona tao amin’ny EPP Tsararano Ambony Mahajanga I omaly maraina tamin’ny 7 ora. Nahita io faty io ireo mpianatra ka nampandre ny tomponandraikitra. Heverina ho nisy nanolana ary novonoin’ireo tsy mataho-tody izy io taorian’izay satria nahitana ratra ny lohany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo.