“World Cola PFL” : Hafana ny lalaon’ny Ajesaia sy ny Fosa Juniors

Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “World Cola PFL”. Anisan’ny fifanandrinana azo heverina ho toy ny famarananakely amin’izany, ny fihaonan’ny Fosa Juniors Boeny sy ny Ajesaia Bongolava, izay hatao any amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga. Araka ny fikarohana natao, eo amin’ny laharana faharoa, manana isa 17, ny Fosa Juniors Boeny, ary laharana fahenina kosa ny Ajesaia, isa 14.
Tsara ny mampahafantatra fa mbola manana lalao iray tsy vita ny Fosa Jr. Ny klioba avy atsy Boeny, avy nandresy ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’ny isa 1 no ho 0, teo amin’ny andro fahasivy, raha toa ka nanao ady sahala 1 no ho 1, tamin’ny Disciples FC, tompondaka faran’ny PFL ny Ajesaia.
Ankoatra izay, azo lazaina fa efa tafita any amin’ny dingana manaraka na “Playoff” ny AS Fanalamanga. Ity klioba avy any Ambatondrazaka ity ihany no mbola mitana ny laharana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena amin’izao fotoana izao, manana isa 19. Handray ny FC Rouge any Ambatondrazaka moa ny AS Fanalamanga.

Fitia Randria

Partager sur: