Andro iraisam-pirenena : Tsy mbola mahazo laka ny boky sy ny zon’ny mpanoratra

Hankalazaina tsy ho ela ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. Ho an’i Madagasikara, tsy mbola zava-dehibe ny boky sy ny zon’ny mpanoratra.

23 avrily, Andro maneran-tany ho an’ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. Taona 1975, na­nomboka nihena andro aman’ alina ny fampiasana ny boky teto Madagasikara. Tsy nanjifa ny Malagasy. Tsy nampiasa ny tany an-tsekoly. Nanom­boka teo, na nanao ezaka mafy aza ny mpanoratra, asa very maina izany. Tsy nisy rafitra mazava nentina nanarina ny lesoka. Ireo boky vahiny avy any amin’ny firenena sô­sialista sy ireo lova navelan’ny mpanjanaka no natobaka teto. Tsy hita ireo boky nosoratan’ny Malagasy?
… Nanao randra-mitarika izany ka nipaka hatramin’izao vanim-potoana izao. Tsy mbola mahazo laka ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. Zara raha ampiasaina any an-tsekoly ny boky. Zara raha ahitana trano fivarotam-boky ny tanàn-dehibe. Zara raha ma­maky boky ny Malagasy. Ta­ha­ka izany ihany koa ny mpanoratra sy ny zony. Na ny rohim-boky aza tsy mbola fantany mazava ny momba azy. Ireo efa nahasoratra boky, afapo amin’ny fisitrahana ny zony? Ny fiarovana ny sanganasan-dry zareo, tsy ampy…

Mila omena laka ny mpanoratra sy ny boky malagasy
Ny tsy fametrahana ny boky sy ny mpanoratra eo amin’ny toerana sahaza azy no iray amin’ireo fototra tsy mampahazo aina ny tontolon’ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. Ankoatra ny fitavozavozan’ireo tomponandraikitry ny fanapariahana ny boky (sekoly, rafi-pampianarana, sns). Mila fitaizana ny isan-tsehatra mba hanome lanja ny boky amin’ny alalan’ny fampiasana azy ireny.
Mitombo isa ny mpanoratra fa vitsy amin’ireny no misitraka ny zony noho ny fanaovana tsinontsinona ny sanganasany. Kanefa, na ho an’ny fampianarana fotsiny aza, raha tafapetraka mazava fa ny boky nosoratana Malagasy no ampiasaina ao anaty fandaharam-pianarana. Hanana vitrika hanoratra indray izy ireny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: