Base Toliara: Drafitrasa iarahana amin’ny mpisehatra

Manomboka ny asa mahakasika ny lafiny sosialy ataon’ny Base Toliara. Anisan’izany ny fananganana ny vaomiera RWG, misahana ny famindrana ny fasana sy ny fanonerana ara-bola ny tompon-tany.

Natao ny 2 avrily teo, tany Toliara, ny atrikasa nananganana ny Vao­mieram-paritra mandrindra ny paikady stratejika (CRCS). Mitarika azy ny governora Atsimo Andrefana, entina handrafetana ny Drafi-paritra ho an’ny fampandrosoana, sady hanamorana ny tetikasa Base Toliara. Nilaza ny mpandrindra ny famindrana asa sy ny fanarenana ao amin’ity orinasa ity, Rasamoelina Willy, fa «tsy ho avy hitrandraka fasimainty fotsiny, ary hiala avy eo, ny orinasa Base, fa tonga hitondra fampandrosoana ara-toekarena, sosialy, kolontsaina, indrindra ho an’ny tanora. Midika famoronana asa ny fampandrosoana, satria tsy handroso mihitsy raha tsy misy ny asa».
Nivory ny 3 avrily, ny Asam-baomiera (RWG), handrindra ny mahakasika ny famindrana ny fasana sy ny fanonerana ara-bola ny tany. Nambaran’i Tsimitamby, teknisianina miandraikitra izany ao amin’ny Base, fa «miasa ao anatin’ny mangarahara ity vaomiera ity». Nohazavaina ihany koa ny dingana hatao miainga any amin’ny fitrandrahan’ny orinasa any Ranobe hatreo amin’ny toerana fiantsonan’ny sambo, ny morontsiraka Andaboy. Nilaza i Wilter, filohan’ny RWG, fokontany Tsianisiha, fa “izahay mpikambana anaty RWG no tompon’ny fasana sy tany, ary nanaiky hatrany am-boalohany ny hamindrana ny fasanay izahay satria olon-dehibe sy matotra”.
Asa tanamaro
Ankoatra ireo, olona an’arivony no nandray anjara tamin’ny Asa tanamaro (Himo), nanadio ny arabe ao Toliara, ny 2 avrily teo. Nilaza i Resambany, tale lefitry ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Base, fa “faly ny orinasa amin’ity hetsika sosialy iarahana amin’ny kaominina Toliara (CUT) ity”.
Pejy vaovao ho an’ny fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana ny fiverenan’ny Base Toliara miasa, miaraka amin’ny tohana ara-tsosialy. Nambaran’i Soa, solontenan’ny vehivavy any Ranobe, fa “hahita asa amin’izay izahay, toy ny famokarana zana-kazo, ohatra”.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: