Mby an-koditra ny hahavery asa analiny, taorian’ny fampiakarana haban-tseranana 47% nampiharin’i Etazonia. Miezaka mitady vahaolana ny fanjakana ka nihaino ny vondron’ny orinasa afakaba (GEFP), tarihin’ny filohany, i Béatrice Chan Chin Yiu. Noraisin’ny minisitry ny Asa, Razakaboana Hanitra, tetsy 67ha, izy ireo, omaly. Fantatra fa ao ireo nampitsahatra ny fanondranana. Mbola miandry ny tena hampiharana ilay didim-panjakana amerikanina, nanomboka nihatra kosa ny sasany. Ny hafa kosa hampihena ny fanondranana. Nambaran’ny minisitry ny Asa, Razakaboana Hanitra, fa tsy maintsy jerena ny momba ireo mpiasa analiny ahina ho very asa. Eo koa ny hanohanana ireo orinasa ka mety hiseho tahaka ny tamin’ny fotoanan’ny Covid-19. Manampy izany ny fiaraha-midinika amin’ireo sendikan’ny mpiasa sy ny eo anivon’ny Cnaps. Nanteriny fa eo am-panangonana ny isan’ireo orinasa mpanondrana entana sy ny isan’ireo mpiasa ny minisitera izao. “Analiny ireo very asa ka mihaino ny mpandraharaha izahay hiatrehana izany fanapahan-kevitry ny Amerikanina izany. Anisan’ ny laharam-pahamehan’ny fanjakana koa anefa ny hitazonana ny asa”, hoy izy. Anton’ ny fihaonana avokoa izany ka hijerena ny vahaolana ary ho eo anilan’ny orinasa sy ny mpiasa hatrany ny minisitera, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, efa hijery tsena hafa fanondranana ireo orinasa sasany. Tsy hisy intsony koa ny fampidirana mpiasa fa ho avy kosa anefa ny fampiatoana ara-teknika na fanalana mpiasa.
Tatiana A.