Jaojoby, Mily Clément, Samoëla, Tanjona Randrianarivelo, Mage 4 ary ny tarika ‘Zay. Io ny lisitry ny tarika hanafana ny hetsika « Festival Tsika Jiaby », andiany voalohany, eto Madagasikara. Fantatra ihany koa fa ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina no hanaovana ny hetsika, ny 3 sy 4 mey ho avy izao. Vaovao ofisialy, navoakan’ny Mam’s event, izay mpikarakara ny hetsika io. Hanampy ireo mpanakanto ireo ny mpikosoka kapila hanafana ny eny antsefantsefany sy ny fandihizana aorian’ny seho.
Namaly ny hetahetan’ireo mpankafy sy ny mpanakanto, izay nangataka ny mba hisian’ity hetsika ity eto Madagasikara ireo mpikarakara. Hamondronana ireo Malagasy mpanakanto, mivoy ny gadona maroloko ary avy amin’ny faritra maro, no tanjona amin’ny hetsika. Hampiarahina amina fotoana iray ireo Malagasy monina any Frantsa sy ny manodidina ihany koa, satria tany no nanomboka ity anjoria ity, tamin’ny taona 2024. Taorian’ny tatitra narahina fihaonana tamin’ny solontenan’ireo mpanakanto taty an-tanindrazana no nampanantena ny Mam’s Event, fa asiana “Festival Tsika Jiaby” ihany koa aty.
Voatana hatrany kosa ny fetin’ny Pentekoty, ho an’ny “Festival Tsika Jiaby” any Paris. Haharitra efatr’andro hatrany izany, ny 6 hatramin’ny 9 jona ho avy izao. Efa nivoaka ihany koa ny lisitra, ka hifandimby an-tsehatra ny zoma ry Tsammy & Sahia, Zazaniangarana, Tsiverilaza. Ny sabotsy kosa no anjaran-dry Mily Clément, Oladad, Tsiliva, Mage 4, Marco Klarck, Mashmanjaka, Dalvis ary Laloon. Hiakatra, ny alahady ry Wawa, Erick Manana, Poopy, Mamy Gotso, Da Hopp, Tovolah ary K’Bossy. Hamarana, ny alatsinainy, ry Rebika, Bodo, Stéphanie, Johary, Lôla ary ny TGC.
Zo ny Aina