Voatonona ho naka vola tamin’ny fanondranana mpilalao baolina kitra U17, ny Elgeco Plus. Nifangaro tamin’ny halatra sonia ihany koa izany ka niteraka sovorovoro goavana. Manoloana izany, tsy hanaiky ny ekipa ka hitory ireo olon-tsy fantatra ary hanaraka izany hatramin’ny farany.
Niteraka resabe teo anivon’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy sy tamin’ny tambajotran-tserasera, andro vitsy lasa izay, ny fikasana antsokosoko hanondrana ankizy mpilalao baolina kitra U17, any France. Voatonona tamin’izany ny anaran’ny klioba Elgeco Plus, voalaza fa nandray vola mitentina 12 000 euros ho tambiny. Manoloana izany, nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Kianja By Pass, omaly, ireo mpitantana ny ekipa.
Mitory olon-tsy fantatra (plainte contre X), ity ekipan’ Analamanga ity. Antony roa ny fitoriana ataon’ny Elgeco Plus, araka ny nambaran-dRakotonirina Théodore, sekretera jeneralin’ny klioba. Voalohany, ny tenany mihitsy no manao izany noho ny fangalarana ny soniany, nampiasaina tamin’ny taratasy famelana malalaka hifindra klioba. Notsiahiviny fa na ny fitomboka natao tamin’ilay taratasy aza, tsy fampiasan’ny Elgeco Plus. Tsy fantany koa ny fisian’io zazalahy io tao amin’ny klioba fa manaraka fanazarantena fotsiny isa-maraina ary natsahatry ny ray aman-dreniny fa hanomana Baccalaureat.
Notsiahiviny fa raha misy mpilalao te hifindra, tsy maintsy hifampidihin’ny komity mpitantana miaraka. Nametrahany baraingo koa ny fandalovan’ilay taratasy tao amin’ny ligin’Analamanga izay mahafantatra ny fisian’ireo mpilalao. “Tsy hametraka fotsiny ity raharaha ity amin’izao ny tenany sy ny Elgeco Plus fa hanaraka izany hatramin’ny farany ary tsy hijery na iza na iza ao ambadik’ity raharaha ity. Efa misy anaran’ny olona ao anaty klioba voatonona matetika saingy efa napetraka amin’ny polisy ny fanadihadiana”, hoy izy. Nomarihiny fa tsy tafavoaka an’i Madagasikara ilay mpilalao ary tsy mahafantatra izay nandray ny vola.
Tompondaka