16 andro alohan’ny fihaonambe an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina dia mizotra araka ny tokony ho izy ny fikarakarana. Tsy misy ny sakantsakana sy ny olana goavana tsy maintsy sedraina. Efa mipetrapetraka ny zava-drehetra. Samy mitondra ny anjara birikiny ny tomponandraikitra isan’ambaratongany. Hita taratra ny fiarahana mirona sy firaisankinan’ny governemanta.
Zava-dehibe amin’izao fotoana izao izay fampitoviana ny tadin-dokanga izay. Iarahana mahalala rahateo ny fikasan-dratsin’ny mpanao politika sasany. Misy dia mikely aina mihitsy hampitsefotra ireo fihaonambe iraisam-pirenena. Hetsika lehibe, hitondra vokatsoa maro ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy izany. Hampiova zavatra maro amin’ny lafiny toekarena, sosialy, politika, diplomasia.
Tsy tokony ho mpitazam-potsiny, araka izany, ny sarambabem-bahoaka fa ho mpisehatra fototra ihany koa. Ny fidiran’ny olom-pirenena tsirairay amin’ny fanomanana dia efa zava-dehibe. Ohatra, tsy hiandrasana ny mpanadio sy ny mpanentana vao mba tsy hanary fako, indrindra ity manarinary tavimandry eny amin’ny arabe isan-kariva ity. Tsy vitan’ny manamaimbo tanàna fa mamotika ny arabe.
Tsy ny fandraisam-bahiny ihany anefa no mahamaika fa mila finiavana hanohy ny asa amin’ny andavanandro mihitsy. Tokony hanomboka izao ny fifampitarihana ho tia madio sy filaminana. Mahafinaritra anie ny mandeha eraky ny sakeli-tanàna ankehitriny. Finaritra ny maso, tsy voaelingelina ny orona, ny hafa…. mihitsy ilay tsy makôtakôta. Mahababo sy mahatamana ilay renivohitr’i Madagasikara.
Mariky ny fitiavan-tanindrazana avokoa izany. Tsy voatery fihetsiketsehana ivelany fa ny asa madinidinika eny anivon’ny fiarahamonina dia ampy. Ireny finiavana tsy ilana ramatahora na fibaikobaikoana ireny aza no tena manan-danja. Mahafapo kokoa, ny vokatra rehefa miara-mientana am-pitiavana sy an-tsitrapo ny Malagasy tsivakivolo.
r.r