INDRAY MIJERY

Manatanteraka ny fanadinana bakalorea andrana na “Examen blanc” ny eny amin’ny Lycée amin’izao fotoana. Dingana hahafahan’ny mpianatra mitsapa ny fahaizany sy miaina sahady ny fiaimpiainam-panadinana. Saika efa vita avokoa ny fandaharam-pianarana ka ny famerenana no atao matetika mandra-pahatongan’ny fotoam-panadinana.

Ankoatra ny fanadiovana ataon’ny fanjakana ireo toerana maro amin’izao fotoana, tokony hanaitra ny sain’ny rehetra izany. Mba samy hanadio sy hanatsara ny toerana tandrify azy ny tsirairay. Manao zaridaina, mandoko ny trano na tamboho… Fotoan’izany rahateo izao mba hamiratra ny tanàna amin’ny fetin’ny fahaleovantena

Mitohy ny fitsidihana sy fanentanana atao amin’ireo sekolim-panjakana sy sekoly miahy tena momba ny fisorohana ny loza an-tsekoly, ny fihetsika tsy tokony hatao ho an’ny mpianatra hisorohana ny loza mety hitranga. Fanaraha-maso ny asan’ireo Saf Pascoma Cisco no natao nandritra izany. Misahana izany ny Ofisy misahana ny fisorohana ny voina an-tsekoly.

Hiverina tsikelikely ny orana tandrifin-drahona mitsitokotoko saika manerana an’i Madagasikara. Ho maina kosa amin’ny ankapobeny ny any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo andrefan’ny Nosy, araka ny filazana nataon’ny eo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, omaly.

Partager sur: