Lozam-pifamoivoizana: Zazavavikely nentina tamin’ny moto maty

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Anosibe, omaly tamin’ny 7 ora sy 20 minitra maraina. Fiara iray no nandona moto scooter iray taingin-droa avy any aoriana ka nitarika ny loza. Namoy ny ainy rehefa tonga teny anivon’ny hopitaly HJRA ilay zazavavy kely, telo taona, nitaingina ilay moto avy ao aoriana.
Avy any Anosizato ary hihazo an’Anosy ilay fiara Volkswagen tiguan, izay niavian’ny loza. Nandona ilay moto scooter Yamaha cygnus II 100cc nandeha teo alohany izy tamin’io fotoana io. Vokany, nianjera sy nitrosona tamin’ny tany ilay moto sy ny mpandeha teo aminy. Naratra mafy vokatry ny hamafin’ny fifandonana ilay zazakely, nitaingina taorian’ilay moto. Raha toa ka nahitana ratra kely kosa ilay lehilahy nitondra ny kodiaran-droa. Nentina avy hatrany teny anivon’ny hopitaly HJRA io zaza naratra io taorian’izay. Tsy tana anefa ny ainy rehefa tonga fotoana fohy teny anivon’ny hopitaly.
Efa notanana sy hanaovana fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro filaminana kosa ilay mpamilin’ny fiara nanao ny loza. Antony hanenjehina azy ny famonoana olona tsy fanhy iniana.
Mila mailo hatrany ny mpampiasa lalana, indrindra fa ireo mpitondra kodiaran-droa, mba hisorohana ny loza eny an-dalana. Mety ho tonga hatramin’ny fahafatesan’olona ao anatin’ny fotoana fohy mihitsy aza izany. Amin’ny ankapobeny, antony mahatonga ny loza ny tsy fitandremana ataon’ireo mpamily eny an-dalana.

Mino

Partager sur: