Nanolana ny zanany vavy: Naiditra am-ponja ilay raim-pianakaviana

Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ilay raim-pianakaviana, 31 taona, nahavita nanolana ny zanany vavy vao 9 taona monja tany Fifio, Mahajanga. Rehefa avy nampiakarina fampanoavana teny anivon’ny fitsarana tany Mahajanga, omaly.
Tsiahivina fa nanaovan’ity lehilahy ity ny filan-dratsiny foana io zanany vavy io nanomboka tamin’ny taona 2024. Nitaraina ho narary tamin’ny reniny io zaza io tamin’ny volana avrily lasa teo. Nentina natao fizahana teny anivon’ny tobim-pahasalamana ary fantatra nandritra izany fa efa simba tanteraka ny mahavehivavin’ilay zaza. Nanao fitoroana teny anivon’ny polisy misahana ny ady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza ary ny olona marefo (PMPM) tany Mahajanga ny renin’ilay zaza taorian’izay. Niroso tamin’ny fisamborana ilay raim-pianakaviana tamin’ny 03 avrily 2025 lasa teo ny polisy. Nohadihadiana teny anivon’ny biraon’ny polisy izy nanomboka teo. Notanana vonjimaika am-ponja izy rehefa niakatra fampanoavana omaly, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Tafiditra ao anatin’ny hetsika hiadiana amin’ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny zaza tsy ampy taona izao hetsika fisamborana ataon’ny mpitandro filaminana izao. Ilaina hatrany ny fitandremana ho an’ny reny izay manana zanaka vavy manoloana ireo olona tsy mataho-tody tahaka izao.

Mino

Partager sur: