Niady vola 30 000 Ar ! Maty notsatohany zava-maranitra ny zaodahiny

Fifamaliana vola, trosa 30 000 Ar, no namonoan’ny lehilahy iray ny zaodahiny tao Soavinandriana, ny alin’ny talata 8 avrily teo. Voasambotra ny nahavanon-doza.

Nanda handoa ny trosa ny lehilahy iray ka novonoiny ny zaodahiny izay nanana vola taminy, tao amin’ny tanànan’ Ambohidra­vaka, fokontany Antambi­azina, kaominina Amparaky, distrikan’i Soavinandriana, ny alin’ny talata teo. Niara-namonjy fodiana avy any an-tsena izy roa lahy ireo rehefa avy nisotrosotro. Notakian’ilay lehilahy antsoina hoe Rola ny vola nindramin’ilay zaodahiny atao hoe Tofy. Nanda ho tsy manana hamerenana io vola io anefa ity farany. Niaka-peo ny roa tonta. Nivadika ho fifamaliana io tsy fifankahazoan-kevitra io. Raikitra ny fikasihan-tanana. Poa toy izay, nampiasa zava-maranitra tam­poka ilay nilaza tsy handoa ny vola. Nolerany tamin’ny zava-maranitra teo amin’ny fihirifany avy hatrany io zaodahiny io. Tsy vitan’izay, mbola noratrainy koa ny lohan’io lasibatra io. Nidaraboka tamin’ny tany vokatry ny ratra mafy nahazo azy io lehilahy atao hoe Rola io. Nikoropaka nitondra azy teny anivon’ny CSBII Ampa­raky ny fianakaviany. Very ra be loatra io naratra io ka tsy tana ny ainy.

Tra-tehaka
Nanoloana izao trangana vonoan’olona izao, nosamborina fotoana fohy taorian’ny famonoana ilay nahavanon-doza. Anadahin’ny vadin’ilay lasibatra ihany ity namono azy ity. Niaiky heloka izy ary nentina hatao famotorana lalina alohan’ny hanoloran’ny ma­nam-pahefana azy eny anatrehan’ny fampanoavana. Na­to­lotra ny fianakaviany kosa ilay namoy ny ainy taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Niverina tamin’ny laonina ny fandriampahalemana ao an-toerana.

Tsiferana R.

 

Partager sur: