SOMBIM-BAOVAO

Natao tao amin’ny Kianja monisipaly Arivonimamo, omaly, ny “festival de rugby scolaire” nokarakarain’ny Malagasy rugby. Tetikasa fampiroboroboana ny taranja baolina lavalava eny anivon’ny sekoly. Miisa 8 ireo toeram-pianarana nandray anjara ao amin’ ny Cisco Arivonimamo.
Hiditra amin’ny fihodinana faharoa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara (Yas coupe de Madagascar), taranja baolina kitra. Kianja 11 manerana ny Nosy no hampiantrano izany fihaonana izany. Tsiahivina fa tsy mbola miditra amin’ity dingana ity ireo ekipa ao anatin’ny “Pureplay football league (PFL)”.
Tonga eto Madagasikara ilay manampahaizana teknika sady mpampiofana “élite” eo anivon’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), i Mohamed Magassouba. Manampy ary manoro ireo mpampiofana mandritra ny “module 4” ny tenany, amin’ny fampiofanana hahazoana ny “licence C Caf”, tanterahina ny 7 ka hatramin’ny 13 avrily izao.
Nitranga ny tsy nampoizina teo amin’ny lalao ampahefa-dalana mandroso hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra. Resin’ny Arsenal, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 0, ny Real Madrid ary lavon’ny Inter de Milan, 2 no ho 1, ny Bayern Munich. Afaka herinandro ny fihaonana miverina hahalalana izay tena ho tafakatra.

Partager sur: