Mitoetra ho hetsika goavana indrindra isan-taona. Rehefa fetin’ny Paka, ao Antsirabe hatrany ny fanokafana ny « Star Tour ». Hotontosaina ny 18 hatramin’ny 21 avrily, araka izany, ny amin’ity taona ity, manoloana ny Gara hatrany. Niverina ho efatr’andro an-danonana toy ny taloha ny “Star Tour” Antsirabe, amin’ity, raha ny fanazavana nentin’ny mpikarakara, omaly, tetsy Andraharo.
“Lafiny telo no tena tandrovinay mafy rehefa Star Tour: ny filaminan’ny hetsika, ny kalitao ary ny fahatomombanan’ny fiaraha-mifalin’ny mpianakavy”, hoy i Miasy Andriamoria, mpikarakara. Hanokatra ny andiam-pampisehoana eo amin’ny sehatra lehibe i Samöela ny takarivan’ny zoma. Hotohizan’ny Reko Band sy Tence Mena izany, ny sabotsy. Hiaka-tsehatra ny alahady ry Tempo Gaigy sy Lico Kininike. Hamarana ny seho ny sabotsy kosa i Ckycky sy i Jaojoby. Hanentana ireo fotoana rehetra ireo i Eric sy Honorat, Bahrone ary Teg. Eo hatrany koa ireo mpikosika kapila nametraka dian-tanana tamin’ny “Star Tour”: Nicki Di Manu, Dj Looping, Dj Sniper ary Dj Three T. Tsy nisy niova kosa ireo fialamboly mahazatra hatramin’izay, ka anisany ny “Espace préssion” sy ny “kermess”.
Zo ny Aina