Manohy ny ezaka amin’ny fanentanana ireo tanora hiofana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa. Napetraka ny tetikasa “Oriente Jeunes” izay tohanan’ny Unesco amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Better Education for Africa’s Rise (BEAR 2)”.
Ho fampahafantarana ny rehetra momba ny fanofanana sy ny fidirana amin’ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, napetraka ny tetikasa “Oriente Jeunes” sahanin’ny fitaleavana misahana ny Orientation et insertion professionnelle (DOIP). Eo koa ny fitaleavana misahana ny haivao sy ny fampandrosoana niomerika (DIDN) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Sehatra iray ny plateforme mitarika sy manoro lalana ny tanora hisafidy fiofanana ahafahany mivelatra ary fantany fa ho vitany hatramin’ny farany izany. Nanampy amin’ny fampitaovana ny Unesco ka nanome ordinateur 27, disque dur ary imprimante hanamafisana ny fahaiza-mitantana ny tranonkala sy hanatsarana ny fahombiazan’ny olona miandraikitra ny asa fampahafantarana. Eo koa ny fampidirana ao amin’ny ivontoeram-panofanana, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fampianarana teknika, Rasoloarisoa Marie Marcelline, omaly, teny Ampefiloha. Ahazoana manofana ireo mpianatra hampiasa ny tranonkala koa ireo fitaovana vao azo. Satria, eo hatrany ireo olona hikarakara ilay plateforme hanampy. Ho hita ao amin’ny tranonkala ny karazana tolotra fiofanana misy, ireo asa eny amin’ny tsena sy ny fiofanana mifanaraka amin’izay ary ny ivontoerana mampanofana mifandraika amin’izany. Amin’ny teny malagasy sy frantsay ny fifampizarana rehetra ka rehefa manana Connexion dia afaka miditra amin’ilay tranonkala avokoa. Ny tanora rahateo tia mikirakira internet ary havanana amin’ny fampiasana teknolojia vaovao.
Vonjy