Mitohy ny Operation Bemidina ataon’ny polisim-pirenena eto an-dRenivohitra, afakomaly alina. Toeram-pisotroana miisa dimy voatery nakatona noho ny tsy fanajana lera, teny Mahamasina. Manao fisafoana eny amin’ireo toerana anjakan’ny tsy fandriampahalemana koa izy ireo.
Notanana vonjimaika am-ponja ny sefo fokontany Mangarivotra Avaratra, kaominina Toamasina, omaly. Anisan’ny voasaringotra tamin’ny fahafatesan’ilay mpianatra 19 taona matin’ny fitsaram-bahoaka izy.