Singa iray lehibe eo amin’ny raharaha politika koa ny vary ka azo hiadiana ny tarehimarika. Nampidirina any amin’ny tetibolam-panjakana 2025, nambara fa hisy fitomboana kely ny voka-bary amin’ity taona 2025 ity, 5 800 tapitrisa t, raha 5 320 tapitrisa t, tamin’ny 2024. Tarehimarika sarotra inoana raha jerena ny tanimbary tototra sy tsy fahampian-drano, na andro ratsy. Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe. Sakafo be mpamboly indrindra, manana ny toerany manokana, amin’ny sehatry ny fambolena. Ampahany maro, tanimbary mila rano, miandry orana. Ampahany kely ihany no miankina amin’ny fomba hafa, fa ny rano ihany no fototry ny fambolena vary.
Fomba efa
lany andro …
Tsy mahazatra ny maro ny mampihatra teknika vaovao hoenti-mamboly. Fanao mahazatra, izany hoe, fomba efa lany andro no mahazatra ny maro sy miankina amin’ny toetr’andro. Tombanana ho 30 % ihany ny fambolem-bary manaraka tekinika maoderina. Lany andro manomboka amin’ ny fomba fambolena, fiotazana, fitotoana azy.
Any amin’ny faritra Alaotra, ohatra, ny fiotazana ny “vary vakiambiaty”, manomboka ny volana avrily hatramin’ny jona, any Marovoay ny “vary jeby”, manomboka ny volana jolay hatramin’ny septambra. Ankoatra izay, misy karazam-bary hafa, toy ny vary gasy”, “vary jeby” amin’ny faritra maro. Amin’ny fomba fambolena, saika itovizan’ny faritra rehetra ny mbola fampiasana omby. Zara raha misy amin’izao fotoana ny Malagasy mampiasa traktera na milina hafa … Alaotra no voalaza fa sompitra voalohany eto Madagasikara, 2,5% ihany no mampiasa fomba maoderina. Marovoay, sompitra faharoa, tsy misy afa-tsy 0,6%. Araka ny fanadihadiana, tsy ny Malagasy tantsaha akory no malaina manaraka ny fambolena misy milina fa lafo loatra ho azy ireo ny vidiny na ny hofany. Kely ihany koa ny velaran-tany volena ho an’ny maro ka aleo ihany ny omby no hampiasana misarika angadinomby sy izay azo sarihina. Fantatra hatramin’izao, nanomboka tamin’ny taona 1980, manafatra vary ny eto Madagasikara hamenoana ny tsy ampy. Raha ny salanisa, mbola manafatra vary 320 000 t isan-taona ny eto Madagasikara. Efa nisy fotoana tafakatra 700 000 t izany. Hita fa nihena izany tato anatin’ny roa taona farany, araka ny voalazan’ny Observatoire du riz.
20 % no tena manao raharaha ara-barotra
Raha ny fanadihadiana ihany, manodidina ny 20 % monja ny Malagasy tena manao raharaha ara-barotra ny voka-bary, ankoatra ízay vao mivarotra, raha misy ambim-bava. Eo amin’ny vidiny indray, 4 200 Ariary ny vary fotsy ho an’ny mpanjifa. Tamin’ny taona 2024 no nisy fiakarana haingana indrindra, nanomboka teo amin’ny 3 100 Ariary hatramin’izao 4 000 Ariary mahery izao. Nilaza ny tantsaha sasany fa tsy mahita tombony tamin’izay fa tombontsoa ho an’ireo mpamongady ihany na mpanangom-bokatra.
Fambolena vary safiotra
Ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fitondrana amin’izao fotoana ny fambolem-bary safiotra. Fiaraha-miombon’antoka amin’ny fanjakana sinoa. Ny volana febroary teo, nizarana masomboly vary safiotra ny any Tanambe, Amparafaravola, faritra Alaotra, malaza amin’ny fambolem-bary. Ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no nitarika izany tany an-toerana. 1 400 tantsaha no nizarana 25 kg avy isaky ny ha, miaraka amin’ny zezika NPK 300 kg.
Ny tanjona dia ny hampahaleo tena ara-tsakafo ny rehetra, hampitombo ny voka-bary 1
tapitrisa t, sy hanondranana manomboka amin’ny taona 2027. 2 tapitrisa ha ny tanjona manerana ny Nosy, fa amin’izao fanombohana izao 50 000 ha, no hambolena izany karazam-bary safiotra izany, izay tokony hahazoana 10 t hatramin’ny 12 t isaky ny ha. Nanaovana andrana koa ny tany Bongolava. Nambara tamin’izany koa ny fampitaovana ny mpamboly sy ny fotodrafitrasa lehibe, toy ny orinasa manodina zezika, tohodrano hampitomboana ny velaran-tany volena, lakandrano sy fitaovana maro hafa.
Nanatontosa : R.Mathieu