Nihaona tamin’ny mpikambana ao anatin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria (CCI) Toliara ny orinasa Base Toliara, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Naneho ny fahavononany hiara-kiasa akaiky amin’ny Base Toliara ny mpandraharaha any an-toerana. Nohazavain’ny tomponandraikitry ny orinasa ny Drafitrasam-pampandrosoana entiny any amin’ireo kaominina voakasika.
Notsipihin’ny Talen’ny fifandraisana ivelany, Base Toliara, Mahafaritsy Samuel, fa “fitrandrahana harena ambanin’ny tany vaventy voalohany any Atsimo Andrefana ny Base, hitondra tombontsoa maro ho an’i Toliara. Hajaina ny lalàna, ny tontolo iainana ary ny vakoka ara-kolontsaina any an-toerana. Tsy afaka mandeha irery ny orinasa, fa tsy maintsy miara-miasa entina hampandrosoana ny faritra. Mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny Antenimieran’ny harena an-kibon’ ny tany, ny Biraon’ny kadasitra ambanin’ny tany (BCMM) ary ny Antenimieran’ny Varotra ny Base Toliara ».
Nilaza ny filohan’ny CCI Atsimo-Andrefana, Vahinintsoa Alain, fa « tena nazava sady nahafa-po ny vaovao nifampizarana. Nampihetsika ny finiavana ho an’ny mpandraharaha miisa 35 ao anatin’ ny CCI Toliara ny fifanakalozan-kevitra, ary vonona ho eo anilan’ny Base ny rehetra hampiroboroboana ny toekarena aty Toliara. Marihina fa hany orinasa mihary ambanin’ny tany mangataka fiaraha-miasa amin’ny CCI Atsimo Andrefana ny Base. Entanina ny hafa mba hanao toa azy ».
Njaka A.