Mitentina 73 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola hanafainganana ny fisitrihana herinaratra eto Madagasikara. Hitombo 2,3 tapitrisa ireo olona hahazo tombony amin’ny alalan’ny famatsiam-bola ny tetikasa Decim.
Tanjona ny hampakarana ho 80% ny taham-pisitrahana herinaratra ho an’ny taona 2030. Ka ho azo avy amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina, amin’ny alalan’ny « mix énergétique » ny 85% amin’izany.
Hanohana an’i Madagasikara amin’ny fahatrarana ireo vina apetraka ny Banky iraisam-pirenena anatin’ny tetikasa « Projet de développement de l’accès à l’électricité à moindre coût » (Lead) sy ny « projet de connectivité numérique et énergétique pour l’inclusion à Madagascar » (Decim). « Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny la finy sosialy ny fisitrahana ny herinaratra. Zava-dehibe, araka izany, ny hanohana ireo tetikasa voalaza etsy ambony », hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, Andriantsoa Thierry. Marihina fa manohana ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny fampitaovana ireo kojakoja ilaina amin’ny herinaratra any ambanivohitra sy any amin’ireo tanàna lavi-toerana ny tetikasa Lead (niforona ny taona 2019). Tao anatin’ny telo taona, manodidina ny 1,2 tapitrisa ireo nisitraka ny tetikasa. Hampifandray ireo mponina hatrany amin’ny 2,3 tapitrisa ho an’ny taona 2028 kosa ny tetikasa Decim (natsangana ny taona 2025) amin’ny alalan’ny fampitaovana sy fampifandraisana ny mponina amin’ny fampiasana niomerika. Miisa 417 000 ny « kits solaires » ho zaraina, hahafahana hampifandray olona maro kosa ireo « mini-réseau » 80 isa hapetraka.
Marihina fa ny 36% ny Malagasy no misitraka herinaratra, midina 11% io taha io any amin’ny tontolo ambanivohitra.
Henintsoa