Fampianarana ambony: Mangataka vatsim-pianarana nefa tsy mpianatra

Nahafantarana ny fisian’ny olona mandray vatsim-pianarana kanefa tsy ao anatin’ireo lisitra tokony hisitraka izany ny fidinan’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mivantana teny amin’ny Oniversiten’An­ta­nanarivo.
Efa tsikaritra ny tsy fahatomombanana ka izany no anton’ny fanamarinana teny ifotony ary voaporofo fa misy ireo olona ao amin’ny fakiolten’ny Siansa mandray vatsim-pianarana kanefa tsy mpianatra akory.
Na dia mampanahy aza ny fisian’izany tranga izany dia manasongadina ny ezaka mitohy efa natao mba hanatsarana ny fomba fiasa sy hiantohana ny fanodinana haingana sy ara-drariny ny firaketana ny lisitr’ireo mpianatra tena tokony hisitraka ny vatsy.
Ny oniversiten’Antana­na­rivo no voalohany anisan’ny nahazo tombontsoa tamin’ity hetsika fanamarihana ny isan’ny mpianatra ity ka nanaovana ezaka fandoavana ara-potoana ny vola tokony ho azy ireo.
Nohamafisina mihitsy ny fanaraha-maso teo amin’ny sehatra nasionaly taorian’ny fanadihadiana ka nahafantarana ny fisian’ny fisoratana anarana foronina sy tsy marim-pototra.
Zava-dehibe ny fidinan’ny tomponandraikitra ambony eny amin’ny oniversite toy izao, indrindra amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana ha­mantarany ny tena fiainana eny, hoy ireo mpianatra. Ao anatin’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny fanampiana ara-bola ho an’ny mpianatra rahateo ny minisitera

Tatiana A

Partager sur: